ActualitésTsidika

Kolontsaina : Nandray anjara amin’ny fifaninan’ny « entreprises de mode Fashionomics 2023 » i Sih Rakout

Nandray anjara tamin’ny fifaninanan’ny orinasa mpanamboatra lamaody eto Afrika i Sih rakout. Miisa 300 ireo mpandray anjara voafantina tamin’ny olona 2000 tamin’ity taona ity ary tafiditra tao anatin’izany ny tenany ary tafiakatra tamin’ny dingan’ny famaranana tao amin’ny TOP 12. Tafiditra tamin’ny TOP2 izy amin’izao fotoana izao.

«Mafimafy ny lalao satria samy mahay sy manana ny maha izy azy avy ny mpandray anjara tsirairay.  Ny fampiofanana nomena ihany koa anefa nahafahana niavaka. Miandry ny valiny farany sisa ary tena mitaintaian satria mafy be ny ekipa mifanandrina amiko amin’ity TOP2 ity », hoy i Sih Rakout tamin’ny fanazavany.

« Tsy ny fahaizana mampivady ny kolontsaina malagasy amin’ny lamaody ihany no entina hitsarana fa eo ihany koa ny fahaizana mandraharaha indrindra amin’ity tontolo ity  izay somary mbola sarotra ny fampidirana azy eto Madagasikara. Ny planina ara-barotra efa napetrako anefa hinoako fa hitondra fahombiazana ho ahy », hoy hatrany ny tenany.

Mahafinaritra ny mahita Malagasy manam-pahaizana afaka mitondra avo ny voninahi-pirenena sy ny harena hanan’ity firenena ity manerana izao tontolo izao. Tombony betsaka no azo amin’izany na ho an’ireo mpandray anjara amin’ny sehatra isan-karazany na ho an’ny Malagasy rehetra tsy anakanavaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire