CultureTsidika

1836 : Ireo masoivoho Malagasy tany Angleterre sy France

Nilahatra tamin’ny firenen-dehibe ny Fanjakan’ny Andriamanjaka fahiny, ary efa in-dimy nandefa Masoivoho tany ivelany ny Mpanjaka nifandimby.

Rehefa nahatsiaro ny Mpanjaka Ranavalona I (1828-1861) fa toa mitady hifandrimbona i France sy Angleterre noho ireo fepetra mafy noraisiny, dia nandefa haingana masoivoho nankany amin’ireo firenena ireo izy. Andriantsitohaina 9 Voninahitra no nitarika ity masoivoho ity, izay nisy an’i Andriantseheno, 8 Voninahitra, Ramanankoraisina, 8 Voninahitra, Ranera, 7 Voninahitra, Raharolahy, 8 Voninahitra, Rasatranabo, 8 Voninahitra, Razedaoro.

Niondrana an-tsambo tao Toamasina ny volana jona 1836, ary tonga tany Londres fito volana taty aoriana (febroary 1837) izy ireo. Henjana ny resaka tamin’i Lord Palmerston, sekreteram-panjakana tao amin’ny Foreign Office tamin’izany. Tsy nisy zavatra tapaka mikasika ny fanirian’ny roa tonta ho tody amin’ny fifanarahana Anglisy sy Malagasy. Nahasondriana ny tao Londres ny haja be nasehon’ny Masoivoho Malagasy. Noraisin’ny Mpanjaka Guillaume IV indroa miantaona izy ireo tao amin’ny lapan’i Saint-James sy Windsor. Voatahiry hoso-doko ny fandraisan’ny mpanjakavavy Adelaïde azy ireo.

Lasa nanohy ny diany nankany France ny masoivoho Malagasy ny volana May 1837. Ny sady lehiben’ny Governemanta no Ministry ny Raharaham-bahiny, ny compte Mollé, no nifampiraharaha tamin’izy ireo. Tsy nisy fifanarahana tapaka koa tany France. Noraisin’ny Mpanjaka Louis Philippe I tao amin’ny lapa tany Saint-Cloud ny Masoivoho Malagasy.

Rehefa tsy nisy fifanarahana vita koa dia nitodi-doha nody taty Antananarivo ny Masoivoho. Tonga ny volana Oktobra 1837.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire