Tournoi 26 Jona 2022 : Vita soa aman-tsara ny lalao famaranana tao Ankadikely Ilafy
Tao anatin’ny filaminana hatrany no nahatontosana ny hetsika « tournoi 26 jona 2022 » tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ekipa iray avy tamin’ny sokajy « vétéran » sy « sénior » no nomena ny amboara.
« Norombahin’ny FC Tanàna Mandrosoa ny amboara tamin’ny sokajy vétéran rehefa nandavo ny Fc Ankadikely 2 no 1 izy ireo. Nibata ny fandresena tamin’ny isa 2 noho 1 ihany koa ny AT Sud Antanety nanoloana ny OM Masinandriana tamin’ny sokajy « sénior » taorian’ny fanalavam-potoana raha 1 noho 1 ny baolina tafiditra nadritry ny 90 minitra nilalaovana » hoy ny mpikarakara. « Isaorana ireo club rehetra izay nandray anjara tamin’izao lalao izao. Ianareo tokoa no horehareha rahatrizay. Tohizo foana ny ezaka » hoy ny ben’ny Tanana ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
Marihina fa tafiditra tao anatin’ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena ity hetsika ara-panatanjahantena ity. Hirariana ho lasa lavitra hatrany ny tontolon’ny baolina kitra eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
