Fandraharahana : Mikarokaroka hatrany ireo mpamboly voninkazo eto Avaradrano
Tsy vitsy ny mponina eto Avaradrano no mivelona sy misehatra ao anatin’ny tontolon’ny Voninkazo. Sehatra iray mahavelona tokoa, ary mila trandrahana hatrany.
« Efa tena mivoatra ny eto Ankadinandriana amin’izao. Maro ny olona sady mpamboly voninkazo no mpanaingo toerana. Ny voninkazo moa efa eo am-pelatanana ihany ka mora foana ny manome endrika ny efitrano » hoy i Andry, mponina ao Ankadinandriana. « Tena mahavelona tsara hatreto ny asa fivarotana sy fambolena voninkazo. Misy mihitsy ny mpividy sahy maka lafo raha toa ka tsara karakara ilay izy » hoy i Seheno, mpamboly voninkazo.
Tsara foana anefa raha mifanohana sy mifanosika hatrany ny mpivady mba hahalasa lavitra hatrany. Matetika dia ny vehivavy no tia voninkazo. Raha lehilahy tia voninkazo ve izany dia mety ho vavivavy toetra ?
Nicole Rafalimananjara
