Rivo-doza Freddy: Namela takaitra mafy tany amin’ny faritanin’ny Toliara indray
Araka ny voalazan’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro dia niverina indray ny faran’ny herinandro teo ny rivo-doza Freddy. Araka izany dia namoaka tatitra vonjimaika ny avy ao amin’ny BNGRC ny mahakasika ny takaitran’ity rivo-doza ity izay mafy ny navelany indrindra teo amin’ny maha-olona sy ny foto-drafitr’asa. Faitra miisa telo no voakasika tamin’ity di any Faitra Atsimo Andrefana, Menabe ary Androy.
“Miisa 4 amin’izao fotoana izao ireo olona namoy ny ainy. Tokantrano miisa 3 622 izay misy olona 15 281 kosa no traboina ary tokantrano miisa 738 no nafindra toerana. Raha tsiahivina moa dia betsaka kokoa ny rotsak’orana netin’iny rivo-doza iny ka nahitana fiakarana ny rano izay nampitombo ireo olona voatery nafindra toerana. Ankoatra izany dia nisy ihany koa ireo olona izay nifindra any amin’ny fianakaviana miisa 7 794”, hoy ny avy ao amin’ny BNGRC.
“Ankoatra ny lafiny maha-olona dia nanimba foto-drafitr’asa ihany koa iny rivo-doza iny toy ny faharavan’ny tambohon’ny fonja ao Toliara. Amana’arivony ireo trano fonenana dobo-dranoary misia 618 ireo trano rava tanteraka. Etsy andaniny dia nahitana fahasimbana ihany koa ny lafiny fampianarana, miisa 24 ireo nahitana fahasimbana raha simba tanteraka kosa ny telo. Maro ireo lalana no simba sy tsy azo andehanana intsony”, hoy hatrany ny fanazavana.
Araka ny vaovao izay voaray farany dia mihena tsikelikely ny rotsak’orana izay aterany raha manalavitra miadana ny morontsiraka ny toerana misy an’ity Freddy ity amin’izao fotoana izao. Mikisaka mianavaratra andrefana ny fikisahany ka mila mailo hatrany ny faritra manamorona izany lalany izany. Ireo mpiandriaka dia mbola mila manaraka ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra isan-karazany hatrany. Ny fotoana toy izao ihany koa ny tokony hampitomboana ny toerana fampahalalana vaovao indrindra ho an’ny toerana lavitra andriana sao any amin’ireny tsy hita ireny no efa misy mpiray tanindrazana mizaka ny tsy eran’ny aina.
Miora Raharisolo
