Tontolo iainana : Nanao hetsika ho fanamaitsoana an’i Madagasikara ny Y’Dago
Misehatra tanteraka amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ny fikambanana maro toy ny Y’Dago. Efa fanaon’izy ireo isan-taona ny mamboly hazo. Teny amin’ny Mont Carmel Betafo Ambohimangakely no nanatanterahan’izy ireo izany, niaraka tamin’ny mpiaramiombonantoka aminy.
« Hazo 500 isa no novolenay nandritra izao hetsika izao. Ankasitrahana manokana ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tamin’ny alalan’ny DREDD Analamanga tamin’ny famatsiana ny zanakazo rehetra nandritra izay roa toana nambolena hazo izay » hoy ny avy ao amin’ny fikambanana Y’Dago. « Ny fandraisantsika rehetra anjara no tena zava-dehibe. Firenena iaraha-manana ity. Tsara raha samy mandray andraikitra hanarenana ny tontolo iainana isika » hoy i Harry, mpianatra mikasika ny tontolo iainana eny amin’ny anjerimanontolo.
Fikambanan’ireo tanora mpilatsaka antsitra-po hitondra fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ny Y’Dago. Sehatra maro no iantseharany indrindra ny tontolo iainana sy ny fanabeazana. Mahatsapa tena ho tompon’andraikitra marina amin’ny fandrosoana tokoa ireo mpikambana.
Nicole Rafalimananjara
