ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hitombo ny vola ilaintsika any aoriana raha tsy voaarina dieny izao ny tontolo iainana

Mila fiarovana ny faritra maro sy karazan-javamananaina eto amintsika. Tsara raha hanokanana teti-bola mihitsy izany ho fanarenana ny tontolo iainana raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny Ministera mpiahy.

« Mila vola manodidina ny 70 000 000 dolara isan-taona isika ahafahantsika miaro ny valan-javaboahary eto amintsika. Mety hitombo ny vola ilaintsika any aoriana, raha toa ka tsy voaaro araka ny tokony ho izy dieny izao ireo faritra arovana sy ny karazan-javamanaina » hoy ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana vonjimaika eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Razafindrabe Rinah. « Miantehatra be amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny fiarovana ny faritra arovana sy ny valan-javaboahary eto amintsika », hoy hatrany izy.

Isan’ireo laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana tokoa ny lafin’ny ara-tontolo iainana. Miainkina amin’ny filaminan’ny tontolo iainana ny fananana fahasalama ahafahana miasa mampiakatra ny ara-toekarena.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire