SocialTatitra

Comores : Hahaya, tanàn’ny higadonan’olona maro isan-taona

Tanàna iray ao amin’ny Union des Comores i Hahaya. Ao amin’ny nosy Ngazidja, kaominina Hamanvou, faritanin’Itsandr no misy azy. Nanodidina ny 4 005 ny isan’ny mponina tao aminy ny taona 2012.

Ny seranam-piaramanidiny « Aéroport international Prince Saïd Ibrahim » no tena mampalaza io tanana io. Mandray olona avy amin’ny « diaspora » an’i Comores an’arivony isan-taona izany ary mampitohy an’i Comores amin’ny firenena maro ihany koa. Ho fanomezam-boninahitra an’i Saïd Ibrahim kosa no antony nanomezana azy io anarana io.

Laisser un commentaire