Analamanga : Hanampy ny Distrika Avaradrano
Tontosa tao Talata Volonondry ny fivoriana niarahana tamin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sy ny Faritra Analamanga ary ny tompon’andraiki-panjakana rehetra eto Avaradrano. Nisy ny fanomezana toromarika ho an’ireo ben’ny tanàna rehetra eto Avaradrano avy amin’ny Ministera.
« Nihaino ny hetahetan’ny ben’ny tanàna izahay teto. Mampanantena sahady fa hanampy sy hanohana ny Distrika Avaradrano iray manontolo » hoy ny Sekretera jeneraly eto Analamanga. « Isaorana ny avy ao amin’ny Minsitera sy ny Faritra tonga namangy teto aminay. Isaorana ihany koa isika izay nanampy tamin’ny fanomanana izao fivoriana izao » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry izay nampiantrano ny fivoriana.
Nisongadina ny fanomezana toromarika ny ben’ny tanàna sy ny filoham-pokontany eto Avaradrano ahafahana mampandroso hatrany ny asa.
Nicole Rafalimananjara
