Faritra Atsinanana : Toerana manan-tantara misarika mpizahan-tany i Mahavelona
Tanàna amoron-dranomasina, any amin’ny 60 km avaratr’i Toamasina, i Mahavelona. Toerana be mpankafy sy mpitsidika izy io izay manana tora-pasika tena kanto.
Toerana manan-tantara ihany koa i Mahavelona. Misy ny « Fort Mahavelona » na « Manda » ao an-toerana izay naorin’ny Mpanjaka Radama I mba hiarovany ny faritany niaraka tamin’ireo fanjakana amin’ny morontsiraka atsinanana. Manodidina 200 m ny Manda, 9 m ny ahavony ary 6 m ny velarany izay mahazaka miaramila 20 000 isa.
Ny anaran’i Foulpointe dia avy amin’ny « pirate » anglisy Thomas White izay nametraka azy hoe « hopeful point » (tendro fanantenana) ary nanorim-ponenana tao tamin’ny 1706 saingy tsy naharitra. Ny hafa indray milaza fa « hopeful » no anarana ny sambo iray nandalo teo nanao varotra.
Hasina Rasamimanana
