Cisco Vohémar : Notoloran’ny Ministera fanomezana ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika nandritry ny taom-pianarana 2022-2023
Notoloran’ny Ministerran’ny fanabeazam-pirenena fanomezana ho mari-pankasirtrahana ireo mpampianatra mpanabe sy mpianatra mendrika tamin’ity taom-pianarana 2022-2023 lany ity.
Raha araka ny voalaza dia mpampianatra sy mpianatra 141 isa no nahazo ity fankasitrahana ity ka notolorana bisikileta iray avy ihany koa ho fanomezana.
« Asa masina ny asa fanabeazana ary lova ny fianarana ka izany indrindra no anton’izao ho fankasitrahana azy rehetra ireo tamin’ny ezaka be vitany nandritra iny taona iny. Ankoatra izay dia mba ho fankaherezana azy ireo ihany koa mba hanao ho zava-dehibe hatrany ny fanabeazana sy ny fianarana izay ataony. » Hoy ny solotena avy ao amin’ny Ministera
Ny Cisco Vohémar raha araka ny vokatra amin’ny akapobeny dia sokajioana ho isan’ny Cisco nahitana vokatra tsara raha ny valim-panadinam-panjaka sy ny taham-pahaizan’ny mpianatra amin’ny akapobeny mihitsy.
« Mankasitraka an’i Ministre nanolotra anay ny bicyclette amin’izao fiafaran’ny taona izao. Tena ilainay tokoa ity satria izahay avy any Ambanivohitr’i Vohémar ka afaka entina mandeha mianatra rehefa tonga ny taom-pianarana vaovao. » Hoy i Maurrin, mpianatra.
I Vohémar no voaresaka sy notsidihana tamin’ity fa tsy latsa-danja amin’izao ihany koa ny any amin’ny faritra hafa.
Miranto Andrih
