ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Maro ny lalao azo atao mandritra ny andron’ny 17 desambra

Ao anatin’ny hetsika fanentanana ny Raoka fako ao amin’ny fokontany Ampahimanga Ambohimanambola, dia anisan’ny nomena lanja ihany koa ny lalao sy ny fifaninanana mandritra izany. Misy karazana kilalao sy fifaninana maro ho hita ao amin’ny kianja Tanimenabe, mandritra ny andron’ny alahady 17 desambra, araka ny voalaza.

“Hisy ireo karazana fifaninanana sy lalao ara-panatanjahan-tena mandritra ny hetsika fanentanana ao amin’ny fokontany Ampahimanga. Ao anatin’izany hisy ny lalao baolina kitra, ho an’olona fito, natokana ho an’ireo mpitia sy mpilalao baolina kitra izany. Hisy ihany koa ny lalao basket-ball, sokajy open lahy y vavy, sokajy U20” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny kilalao toy ny Ludo kinga, izay fifaninanana ludo ho an’olona roa, ny Mplay baby foot ary ny Ticket lalao izay zaraina maimaim-poana mandritra ny fanentanana isam-baravarana ka ahazoana milalao amin’ireo kilalao maro na ny fisarihana” hoy hatrany ny zanavana.

Mbola hisy ihany koa moa ny lalao toy ny couse gony, ny parkous madio, ny jono tavoahangy sy ny maro hafa. Marihina moa fa hanomboka anio zoma ity fanentanana ao amin’ny fokontany ity.

Laisser un commentaire