ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny fitsirihana isam-pokotany mahakasika ny fahadiovana

Ao anatin’ny ezaka fanentanana amin’ny fahadiovana sy ny fanadiovana ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany indrindra, hanatanteraka fandehanana eny ifotony, eny amin’ny isam-pokotany ireo tomponandraikitra misahana ny resaka fanadiovana sy fidioavana ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, hanao ny fitsirihana ny isan-tokatrano ny fananana na tsia ny toeram-pivoahana sy fanariana rano maloto.

« Hisy ny fifanarahana sy ny fepetra hapetraka mandritra izany fitsirihana izany ary hisy ny sazy ho apetraka ho an’ireo tsy manatanteraka. Ny tanjona tanjona ao anatin’izany dia ny hananana fiaraha-monina mifanaja ao anaty fahadiovana, koa manainga ny rehetra amin’ny fiaraha-mientana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Ilaina ny fampandraisan’andraikitra ny isan-tokatrano tahaka izao. Anisan’ny olana mahatonga ny tsy fanarahan-dalàna anefa ny figoragoran’ny sazy izany apetraka ho fifampifezana amin’ny resaka fahadiovana, izay hanaovana antso avy amin’ny tomponandraikitra satria tombotsoa iombonana ny lafin’ny fahadiovana » hoy i Rova, mpanao volo.

Ny fiaraha-mientan’ny rehetra, mpiara-monina no hahafahana miaina anaty tontolo madio, mirindra sy mahatamana, indrindra mahasalamana. Samy tomponandraikitra ny tsirairay ary tokony ho sarotiny manoloana ny fahadiovana sy filamin’ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire