ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova: Hisy fizaham-pahasalamana sy hasoavan-jaza maimaim-poana

Hisy ny hetsika fizaham-pahasalamana sy hasoavan-java maimaim-poana, atolotry ny fiangonana FJKM ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, ho an’ny mponina ao an-toerana, ny sabotsy 15 jolay izao. Tafiditra indrindra ao anatin’ny asa sosialin’ny fiangonana ny hetsika, araka ny voalaza.

“Ny sabotsy izao no fotoana hifanomezana amin’ny mponina ary hanentanana ny rehetra ho tonga maro amin’io fotoana io, hanao fizahana ara-pahasalamana. Mandala ihany ny fotoana ka tsara manararaotra izany ho antoky ny fahasalamana. Tahaka izany ihany koa ny fanatanterahana ny hasoavan-jaza” hoy ireo tomponadraikitra misahana ny hetsika.

“Misy ny fisoratana anarana mila atao mialoha ho an’ireo izay liana amin’ny hetsika. Ao amin’ny secreteram-piangonana na amin’ny mpitandrina ny fiangonana ihany no hanatanterahana izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana eny ifotony ny hetsika tahaka izao. Afaka mitondra fampandrosoana sy manampy ny mpiara-belona avokoa ny sehatra na hery velona rehetra. Anisan’izany ny fanomezana hetsika ara-pahasalamana tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire