ActualitésTsidika

Viliahazo : Hisy ny andro fanaovam-baksiny ho fiaroavna amin’ny covid-19

Manentana hatrany ny mponina mazoto hanao vaksiny ny ao amin’ny Kaominina Viliahazo Avaradrano manoloana izao mety ho fiparitahan’ny covid-19 izao indray. Eny amin’ny CSBII no toerana hanaovana vaksiny ny 25 novambra izao izay hiantsoana ny rehetra ho maro an’isa.

« Mila tohizana hatrany anefa ny fanajana ny fepetra sakana ara-pahasalamana izay antoka amin’ny fisorahana ny fiparitahany, tsara ihany koa ny fanaovana vaksiny mba hampitomboana ny hery fiarovana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Atahorana ny fiverenan’ny variant ao amin’ny Nosy Maurice izay tena mandripaka be tokoa amin’izao fotoana izao ka tena mila mitandrina isika » hoy i Dokotera Thierry. « Tsy angano angano ity coronavirus ity kanefa manana ny safidiny tsara isika na hanao vaksiny na tsia samy tompon’andraikitra amin’ny tenany ny tsirairay ary tsy misy afaka hanery azy hanao vaksiny mihitsy » hoy i Fanja, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

Mila manangana paik’ady mafy tokoa isika eto Madagasikara amin’izao fitomboan’ny isa tsikelikely izao mba tsy hisian’ny fihibohana indray izay satria tsy mety amintsika ny mihiboka noho isika mbola firenena marefo ara-tsakafo sy ara-toe-karena. Inona no tena tokony ho atao ? Tena vahaolana ve ny fanavaom-baksiny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire