SocialTsidika

Befandriana Avaratra : Niredareda ny afo, trano maro no indray may

Niredareda ny afo, izay nandoro tranon’olona maro tany Marosahona, kaominina Antsakabary, Befandriana Avaratra. Tsy fantatra mazava ny tena anton’ny afo hatreto fa ny fahavozana no hita fa betsaka.

« Tena miredareda saika tsy maty ny afo nanomboka tamin’ny 11 ora alina ny 5 hifoha 6 desambra lasa teo, ka tsy mbola hay ny tena niaviany » hoy i Mariette, mponina ao Marosahona. « Sady simba ny tanàna no simba ny saina mahita ireo faharavana marobe, fa mbola simba manaraka izay ihany koa ny tontolo iainana, ka asakasak’izay hanao fanahy iniana handoro » hoy i Fenitra, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.

« Mampalahelo mihitsy ny zava-misy eto an-toerana satria rava tao anatin’ny fotoana vitsy ireo nohariana nandritra ny taona maro » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Mbola tsy foana eto amintsika mihitsy ny afo sy ny fandorana isan-karazany izay mandrava zavatra maro. Enjehin’ny lalàna hatrany anefa izany, saingy mbola minia sy tsy matahotra ihany ny sasany fa manohy ny fandoroana ataony. Na izany aza, tokony hitandrina manoloana ny afo ihany isika any an-tokantrano tsirairay satria fihetsika kely foana dia mety hampiparitaka ny afo ao an-trano sy ny trano hafa manodidina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire