SocialTsidika

Mahajanga : Mila mihafy vao mahomby

Niparitaka nanerana ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo tovovavy miaritra mivarotra any anaty rano any Mahajanga. Ny fitadiavana tokoa tsy mifidy toerana, satria rehefa tonga ny lakana any Marohala ka mbola eny ambony rano dia midina eny ireto vehivavy ireto mivarotra sakafo kely ho an’ny mpandeha.

« Mitsoboka anaty ranobe io mihitsy izy ireo ka ny lohany sisa no hipoatra sy ireo entana amidiny, amin’ny fanatonana ireo mpandeha ao anaty lakana » hoy i Hery, tompon’andraikitra ao amin’ilay lakana. « Mampalahelo ny mahita ireto tovovavy ireto fa tsy maintsy miasa mikarama. Tsy mora zalahy ny mitady vola fa ny fiainana efa mafy tokoa » hoy i Joro, mponina any an-toerana. « Aleonay mihafy eto toy izay hivaro-tena na hipetra-potsiny hiandry ny fanjakana eto, sitrany ahay vola hamidy sakafo satria tsy misy mahay manamboatra vola isika » hoy i Carinah, isan’ireo tovovavy mpivarotra.

Tsy any Mahajanga irery no ahitana tahaka izao fa saika manerana ny faritra. Manararotra ny mpitsidika sy ny mpandalo izy ireo, sitrany ho fidiram-bolany. Ny ezaka mitambatra tokoa no mahatonga ny fahombiazana ka ny fanajana ny asa no tena zava-dehibe.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire