ActualitésTsidika

Fanjarian-tsakafo: Fanarenana no tanjona tamin’ity taona 2022 – 2023 ity any amin’ireo faritra marefo.

Mbola asa be no miandry ny fitondram-panjakana, indrindra moa fa ireo ao amin’ny ONN izay misahana manokana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.

Fikambanana iraisam-pirenena maro no efa nampaneno lakolosy mahakasika ity tranga ity satria dia ho mafy noho ny tamin’ny taona lasa ny hiseho amin’ity taona ity. Zaza 4 amin’ny 10 no hianjadian’izany tsy fanjarian-tsakafo izany eto Madagasikara indrindra amin’ny faritra atsimo raha ny antontan’isa voaray. Ny 7% amin’ireo dia zaza latsaka ny 5 taona avokoa.

“Raha ny isa ananantsika ny taona 2021 dia 40% ireo zaza dia tratran’ny tsy fajarian-tsakafo mitarazoka. Raha hatambatra ny manerana ny nosy rehetra dia mahatratra hatramin’ny 2 tapitrisa any ireo zaza tratran’ity tranga ity amin’ity volana oktobra ka hatramin’ny volana desambra ity”, hoy i Profesora Hanta Marie Danielle, mpandrindra nasionaly ny ONN.

“Mpiara miombon’antoka maro no miara-misalahy mitady vahaolana amin’izany ka maro ireo hetsika ho tanterahina hanarenana ity loza mianjady amin’ny vahoaka Malagasy sasany ity. Voalohany indrindra aloha dia ny fisorohana mba hanamaivanana ny vokany raha tonga amin’ny fahasahiranana be loatra ny mponina, ao anatin’izany ny fampitomboana ny vokatra, ny fitahirizana, ary ny fanodinana mba hampitombo ny fidiram-bolan’ny fanjakana”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy vitan’ny vokatra azo tsapain-tanana sy hetsika hita maso ihany no hatao fa eo ihany koa ny fanabeazana ara-tsakafo izay omena ireo vahoaka. Izany rehetra izany dia manampy azy amin’ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire