ActualitésTsidika

Ambohimananmbola : Hisy ny sehon-tsehetra hiarahana amin’ireo mpanakanto malaza

Hisy ny sehon-tsehatra goavana hiarahan’ny amin’ny mpanakanto fanta-daza izay hiseho ny alahady 02 oktobra ho avy izao ao amin’ny kianjan’ny papmad ao Ambohimanambola. Mpanakanto fanta-daza toa andry B-lain, Odyai, Raouto ary I Belahy no hiseho sehatra mandritra izany.

“Efa ela no niandrasana karazana fampisehoana tahaka izao. Tsy dia fahita matetika ao amin’ny kaominina ny sehi-tsehatra tahaka izao ary izay indrindra no nahatonga ny mpikarakara nanomana lanonana entina mampifaly sy mampiala voly ireo vahoaka.” Hoy ny mpikarakara.

“Mbola variana amin’ny fiainana andavan’andro ireo mponina ka hita hoe ilaina ilay miala voly. Hatramin’izay nipetrahako tety aloha tsy dia fahitako firy hoe hisy fampisehoana fa tena sambany” hoy I Tiana mpianatra, monina ao Ambohimanambola.

Tsy dia fahita firy ao amin’ity kaominina ity tokoa ny sehon-tsehatra goavana. Mandeha any amin’ireo kaominina rahavavy vao mahita seho sehatra. Ankoatra ny asa eny ifotony, ilaina ihany koa ny mampiala voly ny mponina indrindra amin’izao fahasahiranana izao mba tsy ho sempotry ny fitadiavana andavan’andro.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire