Etats-Unis : Azo atao zava-maneno ihany koa ny tsofa
Ny « musical saw » dia tsofa ampiasaina toy ny zava-maneno. Afaka manao « glissando » mitohitohy na fitendrena io tsofa io no mamoka ny feo izay « éthéré » kokoa, mitovy amin’ny feon’ny « thérémine ».
Voasokajy ao amin’ny « idiophone » ny « musical saw ». « Idiophone à friction à plaque à friction directe (132.22) » raha ny marimarina kokoa, raha ny fanazavan’ny Hornbostel-Sachs, misahana ny fanasokajiana ireo karazana zava-maneno.
Efa tany amin’ny taonjato maro lasa tany no nisy nampiasa ny « musical saw ». Tao Etats-unis no tena nahitana izany, tao Scandinavie, Allemagne, France (Lame sonore) ary Asie.
