Andranovelona Ilafy : Manomboka mijaly rano ireo mponina
Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mponina avy ao Andranovelona Ilafy amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fisian’ny rano ao an-toerana. Manomboka mijaly rano ireo mponina, araka ny voalaza. Vao miandoha ny loha-taona izao, izay fotoana mahamaina ny tany, kanefa efa tsy vitsy ireo faritra no mandalo olana amin’ny fisitrahana sy fahazoana rano.
« Miangavy ny tomponandraikitra mahefa mba hijery akaiky ny mahakasika ny rano ary hitondra vahaolana ho an’ireo mponina fa vao manomboka ny haitany dia efa tsy misy rano sahady ny eny amin’ny borne fontaine » hoy i René, mponina ao Andranovelona Ilafy.
« Anisan’ny olana sedrain’ny mponina, indrindra fa ny any ambanivohitra rehefa fotoan’ny main-tany tahaka izao, ny faharitran’ny rano. Maro ireo antony mahatonga izany na ara-boajanahary na vokatry ny ataon’olombelona. Ny fisorohana azo atao dia ny fikajiana ny tontolo iainana mandrakariva, satria rehefa simba ny tontolo iainana, sarotra ny hahazo rano sy rivotra madio, eny fa na ny orana aza mihantona rehefa tsy feno ny fepetra hilatsahany” hoy I Avotra, mpianatry ny polytechnique.
Olana miseho isan-taona ny tsy fahampian’ny rano indrindra fa any amin’ireo toerana tsy misy renirano sy lavi-drano. Anisan’ny olana ihany koa ny fisian’ireo mpanararaotra amin’ny fivarotana rano amin’ny vidiny tsy araka ny tokony ho izy. Mila fanentanana sy fitsirihana eny ifotony araka izany ity olan’ny rano ity.
Manitra Ramanantsoa.
