ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ny Fokontany Ampahimanga no nibata ny amboaran’ny ben’ny tanàna

Ny fokontany Ampahimanga « Mecamad » no tompondaka nandritra ny lalao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2022 ao Ambohimanmbola. Nandrombaka ny amboara ombilahy sy maillot miisa 12 izy ireo ary mari-pankasitrahana.

« Miarahaba ny fokontany Ampahimanga tamin’iuzao fandresena lehibe izao. Tena mitondra avo ny anaran’ny kaominina tokoa. Afaka mirehareha isika eto Ambohimanambola fa manana mpilalao baolina kitra afaka mifanandrina amin’ny kaominina hafa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Samy nomena tsato-kazo sy harato avokoa ireo kianja 5 nandray ny lalao rehetra tamin’ity amboara ity. Ny fokontany Ambohibato, izay nahazo ny laharana faharoa ihany koa, dia nahazo ondry roa sy maillot ary mari-pankasitrahana hafa » hoy ny mpikarakara.

Ny fokontany Ambohimanambola kosa no nahazo ny laharana fahatelo, izay notolorana maillot sy ondry iray ary mari-pankasitrahana. Ireo nandray anjara tamin’ny lalao ampahavalon-dalana kosa dia nomena maillot avokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire