ActualitésTsidika

Ambatondrazaka : Toerana matetika hitrangan’ny seho hafahafa

Matetika ahitana tranga hafahafa foana ao Ambatondrazaka. Miaramila iray namita iraka tao Ambatondrazaka, kaominina Ambanivohitra Atsangasanga, no voalaza fa very fananahana rehefa nandalo herinandro tao an-toerana.

« Tsy tonga saina mihitsy. Teny andalana handeha hivalan-drano izy no taitra fa tsy tao intsony ny filahiany. Teo vao samy nikorapaka ka samy nijery ny azy ny tsirairay » hoy ny namany. « Nividy vehivavy izy ary tsy nandoa vola ka izao no niafarany. Niverina tany amin’ilay vehivavy no niafarany. Ary hita tao anaty paoketrany ilay filahiana izay efa naka loko sakamalaho. Efa tafeverina tamin’ny toerany soa aman-tsara raha nifona teo ilay miaramila » hoy ny ompon’andraikitra tany an-toerana.

Tsy nisy sahy nisambotra ilay vehivavy ny mpitandro filaminana avy eo. Efa nomena azy ihany rahateo ny volany. Betsaka ny olombelona mahay zavatra. Aleo manao ny tsara hatrany mba tsy hananan-doza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire