SocialTsidika

Faritra Atsimo : Tokony ho hamafisina ny paikady amin’ny fiompiana

Nampahafantatra ny paikady tokony hatao any amin’ny farira atsimon’i Madagasikara ny manam-pahaizana mpikaroka izay, Zafisolo Louis. « Tokony hifototra amin’ny fiompiana ny faritra amin’izao fotoana izao. » hoy izy.

Efa nanjaka aman’taonany maro tany amin’ny faritra Atsimo ny kere, mbola tsy voavaha anefa izany olana izany hatramin’izao ka lasa sehatra fanomezana fanampiana sisa ny kere any Atsimo fa tsy fitondrana vahaolana maharitra hoan’ireo mponina any an-toerana. Rehefa natao anefa ny fanadihadihana dia hita fat any lonaka ny tany sady be velarana. Ny taoana 50 sy 60 tany no nanomboka nampiasa ny milina tamn’ny fambolena ary hita fa namokatra ny tany tamin’izany fotoana izany. Fantatra izao fa ny faritra atsimo amin’ny ankapobeny dia mety amin’ny fiompiana ny toe-tany sy ny toetrandro.

Efa natao hatramin’ny ela izany fa mila hamafisina ny paikady amin’ny fiompiana (fiompiana ondry, omby, osy…) Tsy midika anefa izany fa tsy jerena ny tontolo iainana ary hiantehatra amin’ny fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. « Tsy ampy raha miantehatra fotsiny amin’ny fanampiana isika fa mila mifantoka amin’ny fiompiana. » hoy i Zafisolo Louis. Raha ny fanehoan-kevitry i Naly, mpandinika fiaraha-monina iray « Azo eritreretina ny hiharian’ny olona amin’ny fiompiana fa ilay sakafo ho entina hoan’ireo biby fiompy indray no manahirana satria ny olona tsy mahita izay hohanininy ? Atao ahoana ny hamelomana indray ireo biby ireo ? »

Miantso ny manam-pahaizana rehetra, indrindra fa ireo any amin’ny faita atsimo fa izy ireo no tena mahalala bebe kokoa ny toe-tany sy ny fomba amam-panao ity mpikaroka ity araka izany mba hanao fikaonan-doha hamoahana tetikasa hatolotra ny fanjakana momba ny fiompiana any amin’ny Faritra Atsimo. « Ny tetikasa na paikady, araka izany no tokony hatolotra sy harahin’ny fitondram-panjakana » hoy hatrany ity mpikaroka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire