France : Zazalahy 15 taona, nalaina an-keriny ary nogiazana tao anaty trano maizina
Zazalahy iray, 15 taona no nalaina an-keriny ary nogiazan’ny lehilahy miisa telo ny alin’ny alahady ifoha alatsinainy, tao Joué-les-Tours, any France. Notanana am-ponja avy hatrany ireto telo lahy ireto, izay voampanga noho ny fakana an-keriny sy ny fanagiazana, fikasana hamono sy hanao herisetra tamin’ity zazalahy ity, araka ny fanazavana. Nahitana ratra ny tarehin’ity zazalahy ity sy ny tanany. Tao anatin’ny fiaran’ny iray tamin’ireo naka an-keriny azy moa no nahitana azy ary efa nampidirina hopitaly avy hatrany izy. Raha ny fanazavana hatrany, dia nangataka vola be tamin’ny alalan’ny antso, tamin’ny renin’ity zaza ity ireo mpaka an-keriny, izay vola amin’ny tapitrisa euros maro. Taorian’ny nahazoany io antso anefa, dia niantso ny mpitandro filaminana avy hatrany ity reim-pianakaviana ity ka nahafahana nisambotra ireo mpaka an-keriny.
