ConseilTsidika

Torohevitra: Afaka hitsaboana aretim-bavony ny ranona ovy

Aretina mampikaikaika olona maro ny aretim-bavony. Mety ho antony maro no mahatonga azy io ary mety hiseho amin’ny sokajin-taona rehefa manomboka lehibe iny. Anisan’ny legioma afaka hitsaboana ny aretim-bavony ny ovy. Ny ovy izay legioma manan-karena otrikaina isan-karazany, azo hikoloana sy hikarakarana ny fahasalaman’ny vatana. Ao anatin’izany indrindra, manana ny asany betsaka izy raha hikojakojana ny vavony.

Ny zavatra ilaina ao anatin’izany dia ovy iray somary kelikely sy rano iray vera. Tsotra ny fikarakarana atao. Sasana madio ny ovy, avy eo voasana ary kikisana ho lasa madinika. Rehefa vita izay dia potserina amin’ny sotro mba hahazoana ny ranony betsaka kokoa.

Rehefa voapotsitra tsara ny ranon’ilay ovy dia araraka ao ny rano iray vera. Avela hifangaro mandritra ny 10 minitra izany. Rehefa dila izay fotoana izay dia tatavanina ilay fangaro ary io no sotroina mialohan’ny sakafo. Tsara atao izany mandrapijanon’ilay fikorontanana ao amin’ny vavony.

Laisser un commentaire