Alasora: Siniben-drano mirefy 1000m3 no ho apetraka ao an-tampon-tanàna
Manoloana ny olan’ny rano hiainan’ny mponina ao amin’ny kaominina Alasora, efa amam-bolana maro izao, dia tonga tao an-toerana ny avy amin’ny ministeran’ny rano fidiovana ary fanadiovana, ny herinandro teo, ka hametraka siniben-drano ao an-tampon-tanàna.
« Araka ny nampanantenain’ny ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana, ho vahaolana maharitra mahakasika ny olan’ny rano dia asina siniben-drano 1000m3 eo an-tampon’Alasora mba hanampy tosika ny rano ao amin’ny fokontany Alasora, Miadana ary Ambohitromby » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Efa ela no niandrasana izao fanapahan-kevitra izao. Tsy tokony hiandry ny hatezeran’ny mponina vao mandray fepetra ny tompon’andraikitra. Ny rano aina ka raha io no tsy misy dia maty ny mponina » hoy i Lanto, mponina ao Alasora.
Ny faran’ny herinandro teo moa no tonga teny ifotony, nijery ny toerana hanatanterahana ny foto-drafitr’asa ireo tomponandraikitra. Haharitra telo volana eo ny fametrahana izany, araka ny nambaran’ny ministera.
