ActualitésTatitra

Islande : Firenena valo no hiaro ny fiovaovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Arctique

Hiara-hisalahy hanohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra Arctique ny firenena valo manodidina mba hampandry ny filaminana any an-toerana. Izany no fanomezan-toky nomen’i Etats-Unis, Russie, Canada, Islande, Danemark, Finlande, Norvège ary Suède raha nivory tany Islande izy ireo. Mandoro haingana loatra ny hafanana any amin’ny tapany avaratra any. Tandidomin-doza ihany koa ny faritra hafa amin’izany toy i Chine izay manana harena an-kibon’ny tany ka manamora ny fitrandrahana azy ny fihenan’ny ranomandry sy ny fivelaran’ny fitaterana an-dranomasina ary hiparitaka izany harena izany. Mampiahiahy ihany koa amin’izao ny mety hiverenan’ny tafika Russe amin’ny toby maro sy seranam-piaramanidina amin’arivony any Arctique izay, efa nilaozana hatramin’ny vanimpotoanan’ny Sovietika.

Laisser un commentaire