Belgique : Ny vaksiny ve no nahafaty ireo olona roa ?
Tranga voalohany hita tany Belgique, hatramin’izay nanatanterahana ny fanaovam-baksiny izay, ny fifandraisan’ny fanaovam-baksiny tamin’ny nahafatesan’ny olona roa tany an-toerana. Io vaovao io no navoakan’ny « Agence Fédérale des médicaments et des produits de santé » na AFMPS ny alakamisy 20 may lasa teo. Ny Vaxzevria no vaksiny nataon’ireto olona roa maty ireto, vaksiny izay novokarin’ny AstraZeneca ihany fa anarana vaovao fotsiny. Efa nahatratra hatarmin’ny 1,2 tapitrisa anefa ny isan’ny olona efa nitsindrona io vaksiny io tany Belgique. Ilay maty voalohany dia tratran’ny aretin-tratra « hyperperméabilité capillaire » izay aretina tsy dia fahita firy satria misy tsiranoka ra makany amin’ny tsiranoka « interstitiel » ka mampihena be ny ra. Ny tranga faharoa kosa, miendrika « thrombocytopénie » ny hery fiarovana izay mahatonga ilay marary hamokatra hery fiarovana eo amin’ny « plaquette » ihany. Sokajian’ny AFMPS ho avy amin’ity vaksiny Vaxzevria ity no nahatonga izao tranga nahafaty azy roa izao.
