SocialTatitra

Grèce : Nisehoana fahamaizana goavana tao amin’ny « golfe de Corinthe »

Nitrangana fahamaizana goavana indray tao amin’ny tanàna iray any amin’ny golf de Corinthe, izay 90 kilômetatra avatr’i Athènes. Tanàna miisa 6 sy fitokana-monina 2 no niparitahan’ny fahamaizana avokoa izay avy ao amin’ity tanàna iray voalaza ity. Nentina haingana tany amin’ny tanàna mpifanila aminy eo ireo mponina, ka tao Alepochori no nitondrana azy ireo mba ho azo antoka tsara ny filaminany. Betsaka ny mponina mipetraka ao amin’ity faritra may ity. Tsy misy ny aina nafoy hatreto, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Efa nandindona isan’andro tany Grèce ny fahamaizana tahaka izao noho ny hafananana be loatra any an-toerana izay maherin’ny 30 degrés Celsius, nefa ihany koa mitsoaka mafy ny rivotra ka nanamora ny fiparitahan’ny afo.

Laisser un commentaire