Etats-Unis : Hanakatona toeram-pivarotana tsy latsaky ny 60 i Disney.
Hanakatona toeram-pivarotan’izy ireo tsy latsaky ny 60, ao Amerika avaratra i Disney amin’ity taona ity raha ny fanambarana nataony ny alarobia 03 martsa. Hifantoka kokoa amin’ny fivarotana amin’ny internet izy ireo raha ny fanazavana. Nanamafy ity orinasa ity fa tsy hisy fiantraikany amin’ny famarotana entana ataon’izy ireo izany fanapahan-kevitra noraisina izany. Ho ahaina fotsiny ny isan’ny toeram-pivarotana entina hampiroboroboina ny fivarotana amin’ny alalan’ny internet raha ny voarakitra tao amin’ilay fanambarana. « Niha-niova ny fahazaran’ny mpanjifa tao anatin’izay fisian’ny valanaretina covid-19 izay. Lasa tia manjifa kokoa amin’ny internet izy ireo fa mihaina ny isan’ireo manatona toeram-pivarotana. » Hoy i Stephanie Young, tompon’andraikitry ny vokatra ao Disney. Maniry hampivelatra ny fivarotana amin’ny alalan’ny internet amin’ny taona ho avy I Disney arak’izany. “ShopDisney” no anarana hisaloran’izy ireo amin’izany fivarotana mampiasa fifandraisan-davitra izany. Efa manana karazana “application” ho an’ireo vokatra ataolony I Disney. Vinan’izy ireo ihany koa ny hampiditra ny “ShopDisney” anatin’izany entina hanamorana ny fanjifan’ireo mpanjifa amin’ny tamba-tserasera isankarazany. Hisy ihany koa ny vokatra vaovao atolotr’izy ireo miaraka amin’ity fanovana vaovao ity. Tsy mbola nambaran’ny orinasa mazava ny ivon-toerana rehetra voakasik’ity fanakatonana ity na ny isan’ireo olona ho very asa manoloana izany. Raha atotaly, mahatratra 300 na mahery ireo toeram-pivarotana Disney manerana izao tontolo izao.
