Etats-Unis : Lovia sinoa novidiana 35 dollars hamidy 300 000 ka hatramin’ny 500 000 dollars.
Lovia bakoly sinoa novidiana tamina famarotana entana tsy ilaina intsony (vide grenier) tao Connecticut, avaratra atsinanan’I Etazonia no ho amidy ao amin’ny toeram-pamarotana, Sotheby’s, amin’ny vidiny manodidina ny 300 000 ka hatramin’ny 500 000 dollar (mandodidina ny 1 200 tapitrisa ariary). Nasain’ilay olona nividy azy tamin’ny voalohany (izay tsy nilaza anarana) nohamarinin’ity trano famarotana entana ity ilay lovia. Tamin’izay no nanambaran’izy ireo fa lovia tamin’ny taonjato faha-15 izy io. Misy sarisary voninkazo eo ivelany izay nambaran’ny tao amin’ilay trano famarotana fa asa tanan’ny amperora Yongle, amperora fahatelo an’ny taranaka mpanjaka Ming. 6 izao no isan’ny lovia bakoly miendrika tahaka io efa hita hoy I Angela McAteer, tompon’andraikitra amin’ny asa Tanana sinoa ao Sotheby’s, New York. 5 amin’ireo kosa no mipetraka amina mosea : ny 2 any Taipei, ny 2 any Londres ary ny 1 any Teheran. Tamina toeram-pivarotana iray tamin’ny taona 2007 kosa no nahitana farany ny iray hoy I Angela McAteer. Arak’izany, mety ahasarika ireo mpanangom-bakoka tsy miankina sy ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny ity famarotana ho atao ny 17 martsa ho avy izao ity, hoy izy nanampy.
