ActualitésTsidika

Masindray : Hisy  ny fampiofanana maimaim-poana ho an’ny tanora

Hisy ny fampiofanana maimaim-poana natao ho an’ireo tanora ao amin’ny kaominina Masindray. Fampianarana fiompiana trondro, arahana toro-lanana sy fanomezana zana-trondro , aorian’ny fiofanana izany, ka ireo tanora no tena voakasika ao anatin’izany, araka ny voalaza.

« Tanora mipetraka ato anatin’ny kaominina Masindray ary manana finiavana sy vonona ny hivoatra amin’ny fianana ary tia mianatra, ireo no fepetra takiana ho an’ireo izay liana amin’ity fiofanana ity. Mila manana dobo-trondro ihany koa na tanim-bary afaka ampidirana trondro ao anatiny satria hisy ny fanomezana zana-trondro ho fampiharana avy hatrany ny fiofanana » hoy i Haja, manolotra ny fiofanana.

« Zana-trondro tilapia nilotica no ho zaraina ho an’ny iray izay nahavita fiofanana ka hita sy tsapa fa tena vonona hanaraka ireo torohay izay omena manditra izany. Ho ferena ho 100 ka hatramin’ny 500 isa isaky ny mpandray anjara ny zana-trondro azo jifaina amin’ity andiany voalohany ity » hoy hatrany  ny fanazavana.

Ilaina ny fampivoarana sy fanohanana ny tanora tahaka izao. Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana ny kaominina  ihany koa izao, indrindra ny seha-pivelomana fototra dia ny lafin’ny jono ; ity farany izay tena seha-pivelomana hiantseheran’ny ankamaroan’ny mponina eto amin’ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire