Anjeva : Misy ny asa fanamboarana ny kianja Salazana
Misy ny asa fanamboarana ny kianja Salazana ao amin’ny kaominina Anjeva amin’izao fotoana. Mandeha miandalana ny asa ary fanatsarana ny foto-drafitr’asa no tanjona ao anatin’izany asa fanamboarana izany, araka ny voalaza.
« Tazomina amin’ny endriny Teo aloha ny Kianja izany hoe mijanona ho bozaka natoraly ihany, fa totofana ireo faritra misy lavaka, Aravona ihany koa ireo misy dongona ary ampitoviana tantana amin’ny « Piste » ny Kianja » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Nosovaina manontolo ihany koa ny tatatra manodidina mba ahafahana misoroka ny rano miangona. Natao izao mba hanatsarana ny fotodrafitr’asa sy hampiroboroboana hatrany ny fantanjahantena eto Anjeva Gare izay tena mahasarika olona tokoa » hoy hatrany ny fanazavana.
Foto-drafitr’asa ilaina ho fampandrosoana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ny kianja tahaka izao. Ny fanatanterahana ny asa tahaka izao dia anisan’ny manosika ny tanora handray an-tanana sy hanao ezaka hatrany amin’ny fampivoarana ny fahaiza-manao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena.
