Fiverenan’ireo hetsika ara- kolotsaina maro eo anivon’ny IFM
Ankoatra ny resaka fampianarana sy fizahan-tany izay voatery naato tanteraka tao anatin’y roa volana nisian’ny hamehana ara-pahasalamana, ny hetsika ara-panatajahantena sy ireo hetsika ara-koltoraly nilàna mpanotrona ihany koa dia voatery najanona. Azo lazaina ho efa miala tsikelikely ao anatin’ny hamehana anefa isika izao ary manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiainana an-davanandro ny ankamaroan’ireo mponina. Voakasik’izay ihany koa ireo ivon-toerana fandraisana hetsika ara-koltoraly ary anisany amin’ireny ny eo anivon’ny Institut Français de Madagascar na IFM izay efa nanomboka ny alatsinainy 07 jona teo no niverina nisokatra. Hanamarika azy sy hetsika ho raisiny voalohany ny 14 hatramin’ny 21 jona izao ny fetin’ny mozika izay hanasany mpanakanto maro toa an’i Ambondrona, Reko Fy and his band, Loharano, Misie Sayda, Johane, Gaëlle Tsirininofy,AF Jazz. Ny sabotsy 19 jona kosa izay ao anatin’io fankalazana io ihany fa ihany koa hetsika hanamarihana ny fisokafana amin’ny fomba ofisialy indray, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro no ho avy hanafana ny lanonana i Tence Mena, Jaojoby sy Weaver Trio. Ireo hetsika rehetra ireo izay atao anaty fanajana tanteraka ireo fepetra ara-pahasalamana.
Ally Herisoananahary
