SocialTatitra

Maurice : Mpitandro filaminana iray namoy ny ainy

Niharan-doza ny fiara nitondra ny polisy vavy iray ny talata 8 jona lasa teo raha iny hivoka ho any Riche Terre any Maurice iny. Telo izy ireo no tao anatiny ka ilay polisy 47 taona no maty tsy tra-drano avy hatrany ka nentina avy hatrany tany amin’ny “Divisional Headquarters” any Port Louis avaratra. Ny mpamily ny fiara kosa izay 26 taona sy ny mpandeha iray, polisy ihany koa izay 59 taona no naratra ka nentina tany amin’ny hopitaly SSRN any Pamplemousses mba ho tsaboina. Mbola nanatanteraka ny asany tao Valléé Pilot mantsy ireto polisy roa ireto ny alatsinainy lasa teo ka ny ampitson’io vao hamonjy vady aman-janany any Riche Terre. Indrisy anefa fa tsy tonga akory ity polisy vavy ity fa tapitra teo amin’ny fiolanana tany Terre-Rouge ny diany.

Laisser un commentaire