PolitiqueTatitra

Mali : Lasibatra tamin’ny fanafihana antsy ny filohan’ny tetezamita Assimi Goïta

Nisy nikasa hamono ny filohan’ny tetezamita an’i Mali ny talata teo. Nisy olona nikasa ny hanidrona antsy azy nandritra ny fanatanterahana ny fombafomba ara-pivavahana Silamo tamin’ny fankalazana ny Aïd al-Adha tao amin’ny Mosquée lehibe an’i Bamako. Tao aorian’ny vavaka mihitsy no niseho ny tranga, rehetra nandroso ny fivoaha ny Mosquée ny Imam hamono ny ondry atao sorona. »Tena fikasana hamono mihitsy iny » hoy ny loharano akaiky ny filoha. « Efa eo am-panaovana fanadihadiana mihitsy izahay » hoy izy hatrany. Namafisiny tamin’ny mpanao gazetin’ny AFP fa tsy maty fo aman’aina ny filoha ary salama tsara. Nambaran’ny minisitry ny raharaham-pinoana Mamadou Koné tamin’izy ireo ihany koa fa voafehy ity olona ity tao alohan’ny nanaovany asa ratsiny ».

Laisser un commentaire