SocialTatitra

Allemagne : Nitondra fanampiana ara-bola voalohany ho an’ny tra-boinan’ny tondra-drano ny fanjakana

Noraisin’i Berlin sy ireo faritra sasan-tsasany an-tanàna ny fandrotsahana vola mitentina 400 tapitrisa ho amin’ny fanampiana ny tra-boiny raha araka ny vaovao niely tamin’ny haino aman-jery maromaro tao Allemagne. Tokony mbola dinihina mandritra filàn-kevitry ny minisitra nefa Ity tetikasa ity raha ny tokony ho izy.Navoakan’ny gouvernemantan’i Angela Merkel ny alarobia teo ny andiany voalohany tamin’ity fanampiana vonjy taitra ity. Mitentina an-jato tapitrisa Euro teo ny vola nomena ireto niharan’ny tondra-drano nahafatesana olona maro tao Andrefan’i Allemagne ireto. Tranga anisany lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’i Allemagne, nahafaty olona 169 tao amin’ny firenena araka ny tatitry ny talata teo. « Entina hanamavainana ireotra-boina ireo izany satria mbola haharitra ny fanamboarana ary ho lafo » hoy izy.

Laisser un commentaire