ActualitésTatitra

Autriche : Red Bull Art of Motion, fifaninana « parkour » ao amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Fifaninana « parkour » sy « free run » noforonin’ny orinasa Red Bull tamin’ny taona 2007 ny fifaninana iraisam-pirenena « Red Bull Art of Motion ». Fantenana amin’ny alalan’ny fifaninana isam-paritra manerana izao tontolo izao mandritran’ny taona ny mpandray anjara amin’izany.

Mahazo tapakila handraisana anjara amin’ny lalao famarananan’ny « Red Bull Art of Motion » ireo solon-tenam-paritra namiratra indrindra. Tontosaina isaky ny faran’ny taona io lalao famaranana io. Notontosaina tao Vienne ao Autriche ny lalao famaranana voalohany tamin’io fifaninana io. Nitohy tamin’ny firenena maro samihafa izany taty aoriana, anisany i Angleterre, Koweït, États-Unis…

Fepetra hitsarana ny mpandray anjara amin’io fifaninana io kosa ny fahaiza-mamorona, ny fomba fanatanterahana ilay « parkour » sy ny fahasarotany ary ny fizotrany.

Laisser un commentaire