ActualitésTsidika

Fianarantsoa : Fianakaviana kely iray no niharan-doza

Fianankaviana kely iray, mipetraka ao Fianarantsoa no niharan-doza ny asabotsy lasa teo. Tsiahiviny fa efa maro ihany koa niaran-doza tahaka izao teo aloha, anisan’izany ny sekoly prefat izay vao niaran-doza ihany koa. Marihina fa trano sachet plastique sy hazo ary gony eo amin’ny fanariam-pako cité Antarandolo no nonenan’izy ireo. Nisy 4 mianaka izy ireo no may kila firehitra tao tamin’ny asabotsy 03 septambra lasa teo, mbola tsy fantatra mazava ny nahatonga ny loza. Vehivavy 1 manodidina ny 25 taona, mitondra vohoka 8 volana sy zazavavy kely iray sahabo ho 2 taona no maty vokatr’izany, raha mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ny vadin’ilay ramatoa sy ny zanany kely iray.

« Efa nisy ihany ny fampitandremana tamin’ireo olona mipetraka amin’ny trano hazo toy izao saingy ny loza tokoa tsy mampilaza ary mihezaka hatrany izahay ny hitady vahaolana manoloana ny toy izao » hoy ireo tompon’andraikitra. « Tsy fantatra na nandrehatra afo izy ireo dia tsy maty tsara na nisy nisopatra fa tena mampalaelo tokoa, efa aman-taonany maro izy efa- mianaka kely no nipetraka teo amin’io toerana io fa izay ilay hoe rehefa ho avy tokoa ny loza » hoy i Lova mponina Antarandolo.  

Mila mitandrina hatrany manoloan ny tranga tahak’izao.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire