Royaume-Uni : Lehilahy iray niditra antsokosoko tao amin’ny lapan’ny Windsor tamin’ny krismasy
Lehilahy iray no nosamborin’ny polisy ny 25 desambra teo rehefa niditra antsokosoko tao amin’ny lapan’ny Windsor, izay nisy ny mpanjaka Elizabeth II. Nitondra fitaovam-piadiana « arbalète » io lehilahy io nandritra izany.Naneho avy hatrany ny fanairana vao tafiditra tao an-toerana izy hoy ny Thames Valley Police. Fantatra nandritra ny famotompotorana azy fa 19 taona monja io lehilahy io, ary monina ao Southampton, ao atsimon’i Angleterre.
