PolitiqueTatitra

Côte d’Ivoire : Hody any an-tanindrazany i Laurent Gbagbo

10 taona izay no tsy naha teo an’i Laurent Gbagbo, filoham-pirenena Ivoariana teo aloha. Hiverina amin’ny fireneny izy amin’ny 17 jona ho avy izao. Raha tsiahivina, voaheloka tamin’ny alalan’ny fitsarana iraisam-pirenena i Gbagbo tamin’ny volana martsa ary miandry baiko avy amin’i Abidjan izy mba hodiany. Nanao fanambarana i Assoa Adou, sekretera jeneralin’ny Front populaire Ivoirien (FPI) fa vinavinaina ho tonga an-tanindrazana ny 17 jona i Laurent Gbagbo. Tamin’ny voalohan’ny volana mey no efa nanambara ny minisitry ny fampihavanam-pirenena, Kouadio Konan Bertin, fa holazaina ny datin’ny fiverenan’ity filoha teo aloha ity rehefa vonona ny zava-drehetra handraisana azy, indrindra eo amin’ny sehatry ny filaminana.

Laisser un commentaire