Actualités

France : Nataon’i Gabriel (zaza 4 taona) fanomezana ho an’ny ankizy marary ny volony

Zazalahy kely vao 4 taona monja i Gabriel izay manana volo lava satria tsy mbola notapahana mihitsy izany nandritra ny fiainany. Nanapa-kevitra ny hapaka ny volony izy izao ka hampiasa izany ho lasa solovolo ho an’ireo zaza mararin’ny homamiadana. Miara-monin amain’ny fianakaviany any akaikin’i Nancy i Gabriel. Nipetraka tany Canada izy ireo taloha ary niverina tany France indray avy eo ary nahazo fanamarihana maro tamin’ireo namany mikasika ity volony lava ity. Nitaraina izy fa esoesoin’ny ankizy tany am-pianarana satria manana volo lavabe hoy ny rainy, Julien. Niresaka anefa izahay tao an-trano fa any amin’ny hopitaly mitsabo ny homamidana any ihany koa misy ankizy esoesoina satria tsy misy volo noho ny aretina mahazo azy hoy hatrany ilay rainy. Ary nanomboka tamin’izany no nilazan’i Gabriel fa ho tapahany ny volony izay mahatratra 25 cm ary hanome izany ho an’ireto ankizy marary mba tsy hisy hanesoeso intsony izy ireo. Ary roso tamin’ny heviny izy, nilaza mihitsy aza ilay mpanapa-bolo fa nirehareha mihitsy izy tamin’ny nampirina ny volony tanaty fonosana ary mahatalanjona tokoa izany toetrany izany raha mitaha amin’ny taonany, 4 taona monja.

Laisser un commentaire