Mila manaraka ny fepetra ny fiverenana indray amin’ny zotra rezionaly hoy ny ATT
Voalaza nandritra ny kabary nataon’ny filoham-pirenena ny Alahady lasa teo fa miverina manao ny asany ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly ka misokatra ny faritra rehetra manerana ny nosy. Nanao filazana androany ny avy ao amin’ny « Agence des Transports Terrestres » na ny ATT fa lasa any Tsinjony ny faran’ny zotra F ary hatreo Imeritsiatosioka kosa ny zotra G. Mpandray olona iray ihnay koa no ao amin’ny gara Maki Andohatapenaka ny 1 hatramin’ny 3 Jona mba hanamorana ny fandraisana an-tanana ireo mombamomba ny mpitatitra izay hizotra ho any amin’ny faritra. Hisy araka izany ny atrik’asa izay hokarakarain’ny ATT ho an’ireo mpamily sy mpiasan’ny koperativa ny amin’ny fandraketana ireo mpandeha mba hamerana ny mety ho fiparitahan’ny aretin ano anton’izany atrik’asa izany. Hisy ny fanentanana ho ataon’ny ATT any an-toerana rahampitso ho an’ireo koperativa tsy manaja ny fepetra sy tsy mbola nametraka akory ny fiarany. Ny 3 jona kosa no hanaovan’izy ireo fanaraha-maso any an-toerana mikasika ny fanajana ny fepetra rehetra hisorohana ny aretina toy ny fanaovana aro vava orona sy ny fampiasan’ny mpamily ny arotava na ny visière. Toy ny fepetra amin’ny fiara mpitatitra rehetra kosa ny isan’ny mpandeha amin’ny fiara iray ary tokony hanao famandrihan-toerana avokoa ny mpandeha alohan’ny handehanany ka ny mpianatra no tena laharam-pahamehana voalohany amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
