PolitiqueTsidika

Mety hisy fanantenana ve ny fiverenan’ ireo « Iles éparses » ?

Tsikaritra fa nanova paikady ny teo am in’ny fitondrana raha nisafidy ireo izay handrafitra ny mpikambana vaovao ao aminy. Ny ankabeazan’ireo mpiakambana vaovao dia olona mahafehy tsara irony atao hoe « points clés » ao amin’ny Ministera iandraiketany irony.

Tsongaina manokana amin’izany i Patrick Rajoelina, Minisitry ny Raharaham-bahiny amin’izao fotoana. Volana vitsy izay dia nisesy ny fanamafisan’ny Frantsay ny fifehezany ny iles eparses, ny faran’ny volana Jolay teo no nampitombo isa indray ny miaramila mpiambina sy mpanara-maso ny Nosy Kely sy Nosy Ampela i France.

Tao anatin’ny taona maro anefa izay dia efa maro ireo hetsika nataon’ireo andiohan’olona sy mpanao politika ny hitakiana ny fiverenan’ireo Nosy ireo ho an’ny Madagasikara. Efa nisy ihany koa ny fivoriana lehibe an-databatra boribory ary nananganana komisionina manokana ny amin’ity raharaha iles eparses ity, lany tamin’izany ny sata fiaraha-mitantana ireo Nosy ireo miaraka amin’ny Frantsa. , izay zary hodian’ny Fratsa adino amin’izao fotoana izao.

Isan’ireo mpandray anjara fototra amin’ity raharaha ity raha ny Minisitrin’ny Raharaham-bahiny vaovao ity. Ny taona 2020 izy dia nanao famelabelaran-kevitra mikasika ireo Nosy kely ireo. Talohan’ny naha Minisitra azy izao dia efa nisahana ny toerana « Conseiller Diplomatique »-ny Filoha Andry Rajoelina izy. Anisan’ireo nimasoany nandritra izany fepotoana nihasany tamin’io toerana niandraiketany io ny « fitakiana ireo iles eparses izay an’isan’ny niteraka olana ara diplomatika teo amin’ny La Frantsa sy Madagasikara ».

Ny Resolution 34/79 ny ONU izay milaza fa « Malagasy ireo Nosy kely ireo, ny fiandrihanan’ireo Nosy ireo dia Malagasy ihany koa. Ary araky ny lalana iraisam-pirenena dia tsy hisy intsony ny dinika sy ny fitakiana, ary fifanarahana ». Esty andaniny koa dia mbola milaza ny andininy faha efatra fa « tsy azo atao ny manova ity Resolution ity ».

« Mba tsy ho mpitari-bato vilam-bava ihany izy fa hanoy hatramin’ny farany ny fitakiana sy ny dingana izay efa natombony, mba ho sahy hijoro hiaro ny harem-pirenena izay efa fantatra hatrin’ny ela fa an’i Madagasikara. Ary tsy ho resaka an-databatra boribory fotsiny ihany fa tena arahan’asa ihany koa. Satria hita fa ny Frantsy dia sahisahy ary tsy mihemotra mihitsy hetreto »araky ny fanehoan-kevitra nataon’i Sophie, mpianatra sciences politique taona famaranana.

Hendrika iray mbola hisehoan’ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara ity resaka fitakiana ny iles eparses ity.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire