ActualitésTsidika

Controleur general-ny polisy maty noho ny lozam-pifamohivohizana.

Betsaka mpampiasa ankehitriny ireo lalam-pirenena eto amin-tsika noho isika efa tafiditra ao anatin’ny fihalan-tsasatra lehibe. Maro amin’ireny lalana ireny anefa no efa simba sy mila fanarenana fa isan’ireo mitarika ny lozam-pifamohivohizana.

Misaona ny eo anivon’ny Polisy Nasionaly fa namoy ny ainy nohon’ny lozam-pifamohivohizana ny i Jose Andrianasolo Rajaonarison, « Coordonnateur chef de l’Inspection generale de la Police National » ary « Controleur general de Police ». « Andeha hiotodi-doha hody aty Andrenivohitra izy sy ny zanany lahy izao niharan-doza izao »raha ny fitantaran’ny fianakaviana akaiky. Nivadibadika tany anaty antsana ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy mianaka, ary mbola hafaka nivopaka soaman-tsara ny fiara ireo niharan-doza tao aorian’izay ary nohetina nihazo ny hopitaly Ankazobe ireto farany, nomena fitsaboana sahaza ary nalefa teny Anosihala avy hatrany vita izany. Tsy tana anefa ny ain’ity Controleur general ity fa teny an-dalana ho entina hamonjy an’Anosiala izy no namoy ny ainy.

52 taona izy izao maty izao, ary raha ny fantatra dia anisan’ireo Oficcier de police andiany Ezaka izay nivoka tao amin’ny Ecole national superieur de la Police ny taona 1996. Niditra ho Commisaire de police izy taorian’ny fiverenany tao amin’ny ENSP andiany Tsinjo ny taona 1998. Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny Polisy Nasionaly ihany koa ity farany. Ary anisan’ny nandrafitra ny andiany faha-10 amin’ny CEDS koa.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire