Maro ny olona nitsindrona faharoa tamin’ny AstraZeneca teny Anosy
Nisokatra ny 17 aogositra teo ny fanaovam-baksiny faharoa amin’ny AstraZeneca izay hiadiana amin’ny covid-19. Betsaka ny olona tonga tamin’io andro voalohany io izay efa nilahatra nanomboka tamin’ny 5 ora maraina. « Somary tsy nampoizina ny hamaron’y olona tonga satria ny maraina hatramin’ny 10 fotsiny dia efa 75 be izao no vita vaksiny faharoa » hoy i Dokotera Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka.
« Lava ny filaharana ary tonga maraina ny olona » hoy ny mpandamina teny an-toerana. « Misy dingaan samihafa mila arahina mailohan’ny tsindrona, ohatra amin’izany ny fandraisana ny mari-pana, ny fanamarinana ny karatra sy maro hafa ziay mety haharitra hatramin’ny 15 minitra ka izay no maha ela azy » hoy ireo mpitsabo teny an-toerana. Manomboka anio 18 aogositra kosa ny CSB rehetra no handray ny olona hanao vaksiny faharoa. Efa manomboka ihany koa ny fanaovam-baksiny Janssen ho an’ireo efa nisoratra anarana tao amin’ny tranokala natokana ho amin’izany.
Hanao ahoana ny fahazotoan’ireo olona hanao vaksiny amin’ity Johnson&Johnson ity?
Nicole Rafalimananjara
