Sakafo : Tena mitondra soa ho an’ny vatana ny « betterave »
Mitondra soa ho an’ny fahasalamana ny betterave. Manadio ny aty sy manala ny poizina ao amin’ny vatana ny fihinanana azy. Ny tena mahatsara azy dia izy tsy mifidy taona. Afaka mihinana azy avokoa ny sokajin-taona rehetra. Manome endrika miavaka ny sakafo ihany koa izy.
Azo atao ranony fotsiny ny betterave. Manta no ampiasaina. Voasana sy tetehina ary ahodina amin’ny fitaovana fanapotehana. Azo afangaro amin’ny voankazo hafa na legioma hafa izy rehefa atao ranony. Sotroina in-telo isan-kerinandro.
Tsy vitsy ihany koa anefa ny manao azy ho toy ny lasary. Ampangotrahina kely izy ary tsy atao masaka be. Tetehina araka izay tiana ary atao lasary toy ny fanaovana lasary rehetra.
Ny sakafo ihany no tena mitondra amin’ny fahasalamana. Tsara foana ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy miovaova ary voalanjalanja.
Nicole Rafalimananjara
