RN7 : Miverina amin’ny ampahany ny fifamoivoizana
Miverina amin’ny ampahany ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-7. Tsiahivina fa vaky ny arabe mampitohy an’Ambalavao sy Ihosy eo amin’ny PK471+050 noho ny toetr’andro ratsy.
« Ny zotra nasionaly sy rezionaly avy amin’ny faritra Analamanga mihazo an’i Fianarantsoa ka hatreo Ambalavao no voakasik’izany fiverenan’ny fifamoivoizana izany hatreto » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny toetr’andro. « Mbola misy ny asa fanamboarana, ahafahan’ny fiara vaventy mandeha amin’ny lalana Ambohimahasoa Vohiposa eo ami’nny PK 331+200 » hoy ny Ministry ny fitaterana sy ny toetr’andro, Tinoka Roberto. « Tena sahirana aloha noho ny fahatapahan’ny lalana. Tsy nisy naniry izao anefa ka miandry ny fandaminana hatrany no tena mety” hoy i Leonard, mpamily fiara vaventy.
Miezaka mitady vahaolana hatrany ny fitondram-panjakana. Betsaka ny fahavoazana noho ny rivo-doza teto amintsika. Mila mifanampy hatrany ny rehetra.
Nicole Rafalimananjara
