ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Voatoraka atody indray ny mpanjaka britanika

Nanao fanambarana ny manam-pahefana britanika fa nisambotra lehilahy 20 taona nohon’ny fitorahana atody ny mpanjaka Charles III izy ireo ny 6 desambra teo. Tao Luton, ao avaratr’i Londres no niseho ny tranga rehefa nandeha tao an-toerana nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny tanàna sy ireo fikambanana samihafa mpanao asa soa ary nitsidika ny tempoly « sikh » ny mpanjaka.

Raha tsiahivina dia tsy voalohany io tranga fitorahana atody ny mpanjaka Charles III io. Tovolahy iray 23 taona ihany koa no nitoraka atody azy tany amin’ny fiandohan’ny volana novambra tany tao York, ao avaratr’i Angleterre. Manoloana izany dia tsikaritra hatreto fa tsy ankatoavin’ireo britanika mihoatran’ny reniny, Elisabeth II i Charles III.

Laisser un commentaire